Politique

Manandafy Rakotonirina Mameno tanŕna ireo mpikarama an’ady politika


  • Talata 15 Jolay 2014

Manoloana ny fihisatry ny raharaham-pirenena na eo anivon’ny mpitondra fanjakana na ny tsy fahitana marimaritra iraisana avy amin’ireo sokajin’olona mitonona ho mpanohitra ny fitondram-panjakana mijoro ankehitriny dia manana ny heviny ny filohan’ny antoko MFM, Manandafy Rakotonirina .......

Miaiky ity mpanao politika nanamarika ny fiainam-pirenena Malagasy tao anatin’ny 40 taona mahery ity fa zava-dehibe sy manan-danja tokoa ny fahazoantsika ny fankatoavana iraisam-pirenena taorian’ny fanonganam-panjakana nitranga tamin’ny taona 2009. Tena sarotra, ohatra, ny fanatontosana ireo asa miandry ny fitondram-panjakana voafidim-bahoaka amin’ny fepetra takian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena dia ny fanolorana fandaharanasa atakalo famatsiam-bola hatramin’ny volana septambra. Ireo fivondronamben’ny mpanohitra ihany koa tsy manamora ny fanarenana ny fiainam-pirenena, hoy i Manandafy Rakotonirina. Tsy nisalasala ity lehiben’ny antoko Mitolona ho an’ny Fampandrosoana an’i Madagasikara ity nilaza fa mameno ny tanàna ireo mpikarama an’ady politika amin’izao fotoana izao. Tanjon’ireo sokajin’olona tsy tena manana foto-kevitra matotra tohanana ireo ny tambazana vola ho takalon’ny fahanginan’izy ireo, araka ny fijerin’ity mpandalina ny fiarahamonina ity. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT