Ho tonga Ravalomanana, hoy i Manandafy Rakotonirina tetsy amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy teo. Misaotra anao sahady mijoro ohatra izao, hoy izy, mantsy ny mpitona teny an-kianja. Tsy fotsy rora isika fa nody ventiny ny rano nantsakaina. Ny tarik’i Andry Rajoelina izao no mitsanga-menatra, hoy izy. Tsy hanangana ady aminy anefa isika fa hifaly kosa amin’ny dingana vita. Mba manainga antsika aho, hoy izy, raha iray tapitrisa isika nitsena azy tamin’ny farany teny Ivato, mangataka aho mba ho roa tapitrisa amin’ity.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.