Teo amin’ny sehatry ny tontolo politika no nahafantarana an’Atoa Manandafy Rakotonirina, izay mpamorona ny antoko MFM. Hotsaroana rahampitso zoma 27 desambra ny nananganan’ity filohan’ny antoko ity, io antoko politika MFM io.
Tsy eo amin’izay sehatra izay ihany mantsy no hahatsiarovana azy, hoy ireo notezainy fa teo ihany koa ny hetsika ara-kolotsaina maro samihafa. Ankoatra ny tsiahy ny fahatsiarovana ny nananganana io antoko io, dia hisy koa ny karazana hetsika zava-kanto maro samy hafa, izay hatao etsy amin’ny kianjan’ny Kanto Mahamasina, izay iantsoana ireo mpanao vaksôva. Ny zavatra nataon’ny filohan’ity antoko MFM ity no tena hahatsiarovana azy amin’io andro io, ny fitandrovana toy ny anakandriamaso ny soatoavina, ka nanasana mpanakanto samy hafa. Marihana, fa tsy hetsika politika io hatao io fa hetsika zavan-kanto ranoray ary hisy ny mampiavaka azy. Anisan’ny namolavola sy nitazona ny soatovina maha Malagasy ary saropiaro tamin’izany mantsy i Manandafy Rakotonirina. Fifanakalozan-kevitra, fizarana vaovao ary vakisôva no hamaritra ny hetsika rahampitso.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.