Azo ambara fa afaka ny tsilo sakana ho an’ny firenena Malagasy, hoy ny filohan’ny antoko MFM Manandafy Rakotonirina.
Efa ankatoavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena mantsy ny fitondram-panjakana vaovao tarihin’ny filoha Rajaonarimampianina Hery. Mbola sarotra anefa ny lalana hizorana satria nisafidy ny hanova rafi-pitantanana ny mpitondra ankehitriny. Sarotra mifanaraka amin’izay ihany koa ny asa miandry ireo tompon’andraiki-panjakana. Fepetra takian’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena moa ny fandrafetana ireo fandaharanasan’ny governemanta Malagasy sy ny programa isaky ny minisitera mifototra amin’ny filan’ny vahoaka sy ny firenena. Somary niova ho hentitra kokoa noho izany ny fomba fiasan’ireo vahiny mpamatsy vola satria tsy mivoaka ny fanampiana raha tsy mipetraka mazava ny programa avy amin’ny fahefana mpanatanteraka. Fanamarihana no nataon’ny filohan’ny MFM mikasika ireny kabary fampanantenana ampahibemaso toy ny nataon’ny filoham-pirenena farany teo momba ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-12 mampitohy an’i Beloha sy i Morondava. Efa programa mipetraka ao anatin’ny tahirimbola eoropeanina momba ny fampandrosoana andiany faha-10 na 10ème Fed izy iny, hoy ny fanampim-panazavana nomeny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.