Ela tsy nandrenesam-peo ary nivoaka tamin’ny fahanginany Atoa Manandafy Rakotonirina filoha nasionalin’ny MFM, araka ny resaka nifanaovany tamin’ny « deliremadagascar.com ».
Aminy dia fitaovam-piadiana miaramila no nandratrana sy namonoana sivily teny Mahamasina tamin’ny harivan’ny alahady 26 jona lasa teo. Dingana ratsy eo amin’ny fiainam-pirenentsika izany, hoy izy ary zavatra mamoafady mihitsy. Ny fanao rehefa samy mpanao politika no miady, dia vava no alefa, ary mety hoe mifampitoratoraka vato eny, fa ity kosa dia fiadiana mahery vaika avy any amin’ny tafika no entina mandratra sy mamono sivily. Koa raha hiditra amin’izay isika, dia hanahirana sy hisavoritaka, hoy i Manandafy Rakotonirina. Tokony hatao mazava tsara ny hisian’ny fifampifehezana, fa tsy tahaka izany kosa no heverina handaminana ny fifanolanana politika raha misy ny fifanolanana politika, hoy izy. Raha misy ady politika, ny tena tsotra indrindra dia ny fifidianana. Ny vahoaka no mitsara rehefa izay no hatao, azo ravana ny Antenimieram-pirenena, hoy i Manandafy Rakotonirina ary ara-dalàna mihitsy izany, dia manao fifidianana ny vahoaka. Dia ny olona ihany no mitsara hoe inty ny hevitra arahanay ary inty tsy arahanay, izay no demokrasia. Azo heverina tsara mihitsy ny hananganana indray ilay antenimieram-panorenana na “assemblée constituante” aorian’ny fifidianana solombavambahoaka vaovao raha ny hevitr’ity mpanao politika ity ka irosoana ny fandrafetana lalàmpanorenana vaovao. Mila ny hevitry ny rehetra anefa izany, hoy izy. Momba ny raharaha senatera Lylison indray dia tsotra ny hevitr’i Manandafy Rakotonirina : “samborina amin’ny vavany ve izy sa samborina amin’izay zavatra hita ireny ? Tsy haiko ! anjaran’ny mpanao fanadihadiana no manapaka an’izay”.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.