Politique

Manandafy Rakotonirina “Averina dinihina ny zavatra rehetra”


  • Alatsinainy 27 Aogositra 2012

“Tsy mbola afa-baraka toy izao ny tafika”, hoy ny filohan’ny Mafana raha nandray fitenenana tetsy amin’ny kianja Magro ny sabotsy lasa teo.

 Tsy mandaitra intsony ny basy, hoy izy ka na Remenabila aza tsy vita. Andriamanitra no nanome fa i Balita no tsy ambinina, ka hofolahantsika amin’ny fomba repoblikanina ry Balita. Tsy amin’ny alalan’ny kobay fa amin’ny resaka, hoy ihany ny filoha nasionalin’ny Mfm izay nilaza fa ny lalana nizoran’ny tolona dia fanoherana amin’ny fomba repoblikana ny fanonganam-panjakana. Sahirana ireo 80 namadika palitao tao amin’ny ankolafy, hoy ihany ity mpanao politika ity. Ankoatra izay dia nasiany resaka ny ho tohin’ny asa eo anivon’ireo andrim-panjakana. Nambarany àry fa “ovaina aloha ny fanomezana toerana ao anaty andrim-panjakana ary dia averina dinihina ny zavatra rehetra natao tamin’ny lalan-tokana.

Momba ny resaka baomba indray dia tsotra ny teniny: “sady tsy mpanao izany isika no tsy mpametraka”. Tetsy andanin’izay dia nambaran’ny CT Rarson Hilarion fa vita ho azy ny propagandin-dRavalomanana manoloana ny zavatra atao azy. Handray fahefana izy rehefa vita ny fifidianana, hoy ihany ity CT izay nanamarika fa tsy fiarovana ny mpanongam-panjakana no nanofana ireo miaramila tany amin’ny akademia fa hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Ny zavatra tsapa koa izao, hoy izy dia manomboka mivadi-dela ireo mpomba ny filohan’ny Fat satria efa manomboka hitan’izy ireo fa rendrika ny sambo.

Nangonin’I Soa  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT