Politique

Manan-tsofina ny rindrina


  • Talata 24 Aprily 2012

Dia ahoana indray ry Jean ity ianareo mitory olona eny amin’ny fitsarana ity ah ! Izay ve no tena vahaolana ? Tena mahasahy mihitsy ianareo.

 satria sady hamaky ady amin-dry Kotozafy no hanangam-pahavalo an-dry Leksisy mpanangom-baovao koa. Izaho aloha tsy dia maharaka tsara io resaka boaderozy mampifanolana anareo io, fa resaky ny bandy akama tetsy sy teroa no nandrenesako ilay izy. Tena resaka maloto be anie, hono, izy io ry Jean e ! Fa ianao moa izany milaza fa tsy tafiditra mihitsy ao anatin’io raharaha io koa dia ataovy izay hitanao fa mety. Tadidio fotsiny ry Jean fa manan-tsofina ny rindrina a ! Ary indray alina iny anie tahaka ny naheno ny anaranareo tamin’ny fahitalavitry ra Jean kely koa ny bandy teto an-tanàna e ! Ka nahoana ianao no tsy sahy nitory an-dry zareo ? Azo antoka izao ry Jean fa hanakoako amin’ny radio sy ny tele ary ny gazety amin’izay ny anaranareo a, satria tena mahaliana ny mpanara-baovao tanteraka io resaka boaderozy io. Ary raha azoko tsara izany ny nambaranareo ry Jean dia nandainga na nanosopotaka fotsiny Razozy a ! Miandry ny ho tohin’ity raharahanareo ity zahay ry Jean, dia ho hita eo ny tena marina. Ny anareo moa tonga dia don-tandroka eny amin’ny fitsarana fa tsy nisy fifanatonana na fifampiresahana, koa dia izay izany no izy e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT