Niara-nankalaza ny andron’ny manamboniahitra omaly 12 janoary niaraka tamin’ireo manamboninahitra eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika ny filoha Andry Rajoelina,
filoha faratampon’ny foloalindahy malagasy. Ny andron’ny manamboninahitra dia andro entina hanamarihana ny firahalahiana sy ny firaisankina eo amin’ny tafika. Araka ny fanao isan-taona, teto amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, dia ny manamboninahitra zandriny indrindra no nitarika ny lanonana fananganan-tsaina, narahin’ny fanomezana gisa ho an’ny filoham-pirenana, ary notohizana tamin’ny hazakazaka ara-pirahalahiana sy ny lalao ara-panatanjahantena samihafa. Niarahaba manokana ireo manambonihatra manerana ny Nosy ny tenany ary nanambara ny maha zava-dehibe ny firaisam-po sy firaisan-tsaina eo amin’ny tafika Malagasy, indrindra amin’ity taona 2020 izay hankalazana ny faha-60 taonan’ny foloalindahy malagasy ity. Nohamafisiny hatrany ny fanohanany sy ny maha sarobidy ny famerenana indray ny hasin’ny tafika malagasy, indrindra ny andraikitr’ireto manamboninahitra ireto izay tokony ho maodely eo amin'ny asa sy ny fitiavan-tanindrazana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.