May ny endim-boanjon’ny FAT. Manoloana ny fahatongavan’ny iraky ny Troďka sy ny Sadc eto an-tanindrazana omaly dia mandeha ny resaka ankehitriny fa kasain’ny FAT hafindra any amin’ny toby miaramila Manjakandriana ireo manamboninahitra voafonja eny Tsiafahy.
Anisan’ny fepetra takian’ny iraisam-pirenena mantsy ny famoahana ny gadra politika rehetra. Noho io antony io no voalaza fa kasain’izy ireo hanaovana izany. Efa nisy mihitsy, araka ny tsiliantsofina, ny taratasy mandeha any ny hanaovana “residence surveillée” ireo manamboninahitra ireo, fanapahan-kevitra noraisina hisian’ny fitoniana na “mésure d’apaisement”, hono. Nisy olona ihany koa avy eny Andohalo eny nirahina hanara-maso ny fanadiovana ilay toerana kasaina hametrahana ireo manamboninahitra any Manjakandriana ity. Mametra-panontaniana ny havan’ireo voafonja rehefa naheno ity vaovao ity hoe efa roa taona mahery no nisy miaramila notanana am-ponja tao, nefa maninona no tsy nisy resaka “residence surveillée” izany, fa izao tadiavina ihazakazahana tampotampoka eo.
Velon’ahiahy izy ireo eo anatrehan’izany fihetsika mifono fitaka tahaka izany. Araka ny efa nolazain’ireo manamboninahitra tamin’ireo havany mantsy dia mivoaka mazava avy amin’ny alalan’ny fifanarahana ara-politika izy ireo fa tsy am-pitaka tahaka izao. Manahy koa izy ireo ny amin’ny mety hisian’ny fihetsika entina hamonoana ankolaka ireo manamboninahitra ireo ka mody avoaka ary lazaina fa nikasa ny hitsoaka avy eo. Mifamahofaho be ihany ny resaka manodidina ity raharaha ity, ka dia ho hita eo ny tohiny.
Mohamed
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.