Nanambatra hery ny mpanohitra. Izay no sary tazana tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly.
Niverina an-kianja ny ankolafy Zafy rehefa tsy tazana tao anatin’ny fotoana elaela izay. Sambasamba ihany koa no nahitana ny Pr Paul Rajaonarivelo, mpitarika ny Diniky ny samy Malagasy sady mpandrindra ny Komitin’ny fanavotam-pirenena, tao amin’ity Kianjan’ny Finoana ity, omaly. “Resinareo teto ny toetran’andro ary indrindra ny tahotra”, hoy izy raha nandray fitenenana. Niaiky ity mpitarika ny Diniky ny samy Malagasy sady mpandrindra ny Komitin’ny fanavotam-pirenena ity fa «raha tsy nisy ny Magro, efa nivarina an-kady ny firenena”. Koa ilaina, hoy ny Pr Rajaonarivelo Paul, ny fanambarana hery fa marary loatra ny firenena. “Tsy mendrika izao fitondrana izao ny Malagasy ary tsy mbola nijaly tahaka izao.
Tsy misy na iray aza afaka hilaza fa mety izao toe-draharaha izao”, hoy hatrany ny Pr Rajaonarivelo Paul. Mino isika, hoy ity farany, fa afaka manangana firenena vanona sy marina toy ny taloha. Ny zava-misy mantsy, hoy izy, dia lasa raki-kevitra ho an’ny fanjakana ny fitakina sendikaly. Fangalany lesona. Koa tsy ekena intsony ny hitaran’ity tetezamita ity, hoy Rajaonarivelo Paul. Firenena tan-dalàna sy tsara tantana no mitondra fandrosona dia manaraka ho azy ny fahasalamana sy ny fampianarana, hoy izy. Nanamafy izay nambarany i Mektoub El Camille, depioten’i Mananjary teo taloha, nilaza fa tsy misaraka ny ankolafy Ravalomanana sy Zafy. “Maika ny fanambarana hery ary Tetezamita tsy misy an’i Andry Rajoelina no tanjona”, hoy izy. Nampian’i Zafilahy Stanislas fa “mitambatra indray isika noho ny firenena.
Fanombohana ihany izao, fanangonana hery aloha, fa ny tanjona iraisana dia ny fialan’ny FAT”. Fa Randrianjatovo Henri Victor, mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, no nampahatsiahy sy nanamafy ny fitakian’ny ankolafy Ravalomanana misy azy, ny hanatanterahana ny fihaonan’ny filoha Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina eto Madagasikara. “Mody tsy misy fepetra ary milatsaka hofidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka eo ny filoha Marc Ravalomanana raha tsy izay dia tsy miresaka izahay”, hoy izy. Vory maro ny olona tao amin’ny Magro io omaly io, na dia andro fiasana aza.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.