Politique

Manamafy ny SADC “Amnistia aloha vao miresaka !”


  • Alakamisy 02 Febroary 2012

Tojo fahasahiranana ny delegasiona avy amin’ny fanjakana frantsay dia ny minisitry ny fiaraha-miasa, Henri de Raincourt sy ny kaomisera eoropeanina misahana ny fampandrosoana, Andris Piebags izay tokony hitsidika an’i Madagasikara ny 10 sy 11 febroary ho avy izao

 Araka ny vaovao navoakan’ny revio “Lettre de l’Océan Indien (LOI)” laharana 1325 dia sakanan’ireo mpitondra eo anivon’ny SADC sy ingahy Marius Fransman, izay mitarika ny TROIKA izany fitsidihana izany raha toa ka tsy mbola avoakan’i Andry Rajoelina, filohan’ny FAT ny lalàna momba ny famafan-keloka izay manome alalana an’i Marc Ravalomanana hody malalaka an-tanindrazana. Hatramin’ny faran’ny volana febroary ny fe-potoana nomen’ny SADC hamoahana ireo lalàna hampisy fitoniana ka anisany ny aministia, raha ny vaovao ihany. Ingahy Nicholas Westcott, Tale jeneralin’ny asa ivelany, misahana an’i Afrika no nampita izany hafatra izany tamin’i Annick Rajaona izay talen’ny fifandraisana iraisam-pirenena eo anivon’ny fiadidiana ny FAT, araka ny vaovao ihany.

I Annick Rajaona izay nihaona tamin’ity tompon’andraikitra Eoropeanina ity nandritry ny fihaonan’ny Vondrona Afrikanina tany Addis Abeba. Nanambara moa ity farany fa dia hampita ny hafatra amin’ny filohan’ny FAT saingy tsy mampanantena valiny mahafa-po momba ny resaka amnistia izay takian’ny SADC. Ankoatra izay dia niezaka nandresy lahatra ny Vondrona Eoropeanina koa ity tale ity ny amin’ny tokony hamerenan’ity farany ny fanampiana an’i Madagasikara. Kely dia kely anefa ny herijika, hoy ny LOI ny amin’ny hihainoan’i Bruxelles azy. Raha dinihina dia karazan’ny manamafy ny sazy sy fanokana-monina an’i Madagasikara izao fanapahan-kevitry ny SADC izao. Ho hita eo moa izay hasetrin’ny filohan’ny FAT izany.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT