Politique

Manamafy i Marius Fransman fa Mody malalaka eto Ravalomanana


  • Alarobia 25 Janoary 2012

Tsy azo ihodivirana ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana.

 Nanamafy izay i Marius Fransman, minisitra lefitra afrikanina tatsimo misahana ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana amin’ny any ivelany, izay mitarika ny iraky ny Troika-SADC amin’ny fanelanelanana hamahana ny krizy eto Madagasikara, fa voasoratra ao anaty tondrozotra izany, voasonia ka tanterahina. Araka ny fantatra dia niantso manokana an’i Andry Rajoelina ny tenany ny alatsinainy teo mampahatsiahy an’ity farany ny fisian’izany. Taorian’ny tsy nahatanteraka ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana rehefa nanome baiko hanakatonana ireo seranam-piaramanidina lehibe eto Madagasikara ny filohan’ny FAT, dia nampiantso ireo lohandohan’ny mpisorona voakasika mivantana tamin’io raharaha io ny SADC amin’ny alalan’ny Troika, ho avy any Pretoria hifandinika hitadiavana vahaolana maika.

Tonga any an-toerana hatry ny alatsinainy hariva ny praiminisitra Omer Beriziky, ny filohan’ny Kongresy Mamy Rakotoarivelo (ankolafy Ravalomanana), Norbert Lala Ratsirahonana mpanolotsaina manokan’i Andry Rajoelina ary ny Pr Miandrisoa Marcel (ankolafy Zafy). Nisy delegasiona hafa niainga omaly. Totoafo ny fivoriana omaly, taorian’ny fihaonan’i Marius Fransman tamin’ny minisitry ny raharaham-bahiny Zambianina, Emmanuel Kasanga sy ilay Tanzanianina Mahadhi Juma Maalim. Omaly hariva dia nihaona manokana tamin’ny delegasionan’ny ankolafy Ravalomanana ireto olon’ny Troika ireto.

Any amin’ny resaka lalàna no fantatra fa lalana hitadiavana vahaolana mafonja amin’ity indray mitoraka ity. Samy mitazona ny heviny mantsy ny andaniny sy ny ankilany. Ny ankolafy Ravalomanana dia mitaky ny hampiharana ara-bakiteny ny andininy faha-20 amin’ny sori-dalana, manome alalana ireo sesitany politika hody an-tanindrazana tsy misy fepetra, ka anisany ny filoha Marc Ravalomanana, ny tarik’i Andry Rajoelina anefa mandrangaranga hatrany ny didy fampisamborana, ho fampiharana ny andininy faha-45 amin’io tondrozotra io hatrany. Ny handravonana ireo andininy roa mifandaka ireo no hitadiavam-bahaolana araka ny lalàna ary manana adidy amin’izany ny SADC izay manara-maso ny fampiharana ny tondrozotra. Araka ny fantatra dia hiditra an-tsehatra ireo manampahaizana iraisam-pirenena momba ny lalàna sy ny zon’olombelona hampazava ny raharaha. Miaiky rahateo i Marius Fransman fa andraikitry ny SADC no manao izay hampivaha io olana io. Ny tsy azo ihodivirana dia mody malalaka eto ny filoha Marc Ravalomanana. Ny fotoana hahatanterahan’izay sisa no miandry ny famaritana azy mazava.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT