Politique

Manaitra ny Vondron’olon-tsotra « Tena rava ny faripiainan’ ny Malagasy. »


  • Alakamisy 21 Novambra 2019

Nampiaka-peo manoloana ny zava-misy eto Madagasikara tetsy amin’ny Bon Accueil Ambatonakanga omaly ny avy eo anivon’ny Vondron’olon-tsotra na VOT tarihin’ny filohany, Sarah Zoé.

 

 

 

 Mitombo isan-andro ny olona maty ary efa tsy manana hery hanoherana aretina intsony ny ankamaroan’ny Malagasy manoloana ireo valan’aretina isan-karazany sy fiovaovan’ny toetr’andro. Betsaka ny zavatra mihatra aman’aina. Misondrotra ny vidim-piainana. Rava ny faripiainan’ny malagasy. Potika ny fanabeazana. Tsizarizary ny sakafo, hoy ny fanehoan-kevitr’izy ireo. Ny fahasalamana sy sosialim-bahoaka dia an-jorom-bala tanteraka sy tsy misy fijerena ny maha olona. Ankoatra ny fitapitapitaka sy famoretana atao aminy dia tsy misy hasiny intsony ny maha olombelona, raha ny zavatra iainanay aloha, hoy ny filoha Sarah Zoé. Potika sy rava ny maha olona ary tsy misy intsony ny ho avy hianteheran’ny taranaka fara-mandimby. Ny kely ananany aza esorina aminy. Vahaolana ny tsy fanilihana ny rehetra fa fifampidinihana an-databatra. Atao ahoana no hanantena ny any ivelany hamaha olana raha isika tompon-tany aza tsy miray hina mamaha olana, hoy ny fanontaniany. Mbola mpitari-bato vilam-bava, hafa ny tenenina, hafa no atao no misy hatramin’izao. Tsy mahavita tena ny mpitondra. Mila mandray andraikitra fa tsy mihatsara ivelatsihy mimenomenona fotsiny ao anaty Facebook ny olompirenena. Mila mahay mijoro, hifidy ny Malagasy ary manara-maso ny delegem-pifidianana sy ny tomponandraiki-pifidianana rehetra, hoy hatrany ny tenany. Ankoatr’izay moa dia nanamafy ny VOT fa manohana ny kandida ho ben’ny tanàna laharana faha 2 ao anaty Bileta tokana eto Antananarivo, Rina Randriamasinoro. Io no tsy hamitaka ary tsy hanome vina mampanonofy fotsiny, hoy izy ireo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT