Manafatra i Neny

> Tongava mifidy !


  • Alakamisy 24 Oktobra 2013

Nafana ny famaranana ny fampielezan-kevitry ny kandida Dr Robinson Jean Louis tao Vakinankaratra ny alarobia 23 oktobra. Tany amin’ny Kaominina Ambohibary aloha ity kandidan’ny antoko AVANA ary tohanan’ny ankolafy Ravalomanana ity, nialoha ny fihaonana tao amin’ny kianjan’ny Magro Antsirabe.

Vory maro hatrany ny vahoaka. Hafatra no napetrak’i Neny amin’izao famaranana izao : tongava mifidy ny zoma 25 Oktobra fa izany no adidy takiana amintsika. Tsy be resaka ny Dr Robinson Jean Louis fa ny hafatra napetrany dia aoka izay ny adilahy politika tsy nampandroso tato anatin’ny dimy taona izay. Ka ny voalohany indrindra amin’ny fanehoana firaisankinam-pirenena dia ny fodian’i Dada Ravalomanana eto Madagasikara. Ampy izay sesitany nataony izay noho ny fanasoavany ny fireneny. 5 taona isika nentin’ny mpanongam-panjakana. Inona no vokany ? Gisitra eran-tany isika. Tsy avelantsika anefa izany fa asondrotsika ho voalohany. Tongava mifidy fa hailika ny mpanongam-panjakana ary araho maso ny fifidianana mba tsy ho very ny safidy, hoy radoko. Nanentana ny olona ho tonga maro hifidy ihany koa Atoa Marc Ravalomanana ary nametraka fitokisana feno amin’ny vahoakan’i Vakinankaratra ary nanafatra fa ny Dr Robinson ihany no afaka mampody azy eto Madagasikara.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT