Mahasosotra ary indraindray mahatezitra mihitsy ny hadalan’ny mpanao politika eto amintsika, hoy ny renim-pianakaviana iray manaraka ny fizotry ny raharaham-pirenena.
Ambony ambany ny zava-drehetra. Olona efa hita izao fa sakay sy maso dia mbola milaza ihany fa mifankatia be ary manga ny lanitra. Misy efa tratra nangalatra sy nanao hosoka izao, toa mbola miriaria eny an-dalambe eny ihany. Lazaina fa matotra ny asa atao ka tsy maintsy ho vita ara-potoana ny trano sy tanàna handraisana ny frankôfônia, avy eo ambara indray fa hoe tsy voatery ho vita amin’io fivoriana io ny asa rehetra fa rehefa misy lalana mba azo andehanana sy trano azo isitrihana aloha dia efa mety. Lazaina indray avy eo fa hapetraka any amina seranam-piaramanidina hafa, hono, ny fiaramanidin’ireo vahiny ho avy eto amin’ilay fivoriana satria tsy antonona ao Ivato daholo. Izao mandeha be ny feo fa mikatso tanteraka ilay tetikasa goavana fanitarana ny seranam-piaramanidina eny Ivato. Hiala, hoesorina, tsy hiala, aleo hajaina ny lalàmpanorenana … Kabary no tena betsaka eto ary tena fanadalana saim-bahoaka araka ny fomba fitenenana, reraka marina angamba na tena noana na efa tena tsy mivaky loha intsony ramalagasy fa dia tsy mihetsika fa miandry eo. Izany no mahatonga ny mpanao politika sy manampahefana sahy manao hadalana eto, tsy misy fitsarana hanenjika azy, ny olona tsy haninona azy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.