Politique

Mamy Ravatomanga Voasava trano ihany koa


  • Zoma 27 Mey 2016

Nosavaina koa ny tranon’i Mamy Ravatomanga, filoha tale jeneralin’ny vondron’orinasa SODIAT teny Ambohibao Antehiroka, omaly.

 

Naharitra ora 5 mahery ny fisavana,  izay natrehin’ny vady aman-janaky ny tompon-trano, ny tale jeneralin’ny Groupe SODIAT sy ny mpisolovava azy ireo. Tsy nety nanome fanazavana moa ireo mpitandro ny filaminana fa ny tale jeneralin’ny SODIAT kosa no nanambara fa nizotra tamin’ny ara-dalàna ny asa natao. Nitondra taratasy ara-dalàna ireo mpitandro ny filaminana saingy tsy fantatra mazava aloha hatreto ny anton’ilay fisavana. Ny fantatra fotsiny dia tena nanao sava hao ny tranon’ity mpandraharaha anisan’ny mpanefoefo eto Madagasikara ity ny mpitandro ny filaminana, ary nisy ny zavatra nofonosina harona sachet miloko mainty, nentin’ny iray tamin’izy ireo nivoaka rehefa vita ny fisavana ny trano. Misy fifandraisana tamin’ny fisavana ny tranon’ny senatera Lylison teny Ambohipo ve ity teny Ambohibao omaly ity ? Raha eny ny valiny dia mazava fa ahiahy amin’ny fanakorontanana no tena antony. Ny mpitandro ny filaminana dia efa nisy nilaza fa tsy maintsy alaina am-bavany sy hadihadiana momba na raharaha fanakorontanana ny senatera Lylison. Resaka izay mety misy fifandraisany amin’ny nambaran’ny mpitandro ny filaminana, herinandro lasa izay, fa atahorana hisy korontana ny datin’ny 23 mey lasa teo. Taorian’io daty io moa no nisian’izao fisavana tranon’olona izao. Ankoatra azy mirahalahy ireto dia re fa mbola misy mpandraharaha teratany frantsay mety mbola hosavaina trano ihany koa eny Ambatomaro eny.

Hiafara amin’ny fisamborana ?

Voasava trano, namoahana didy tsy mahazo mivoaka an’i Madagasikara, avy eo karohina fatratra fa mila atao fanadihadiana. Izay no manjo ny senatera Lylison René de Rolland amin’izao fotoana ka tombanana fa mety hihatra amin’Atoa Mamy Ravatomanga koa. Ilay karohina dia samy hafa amin’ny hoe nampanantsoina hatao fanadihadiana eny amin’ny polisy na ny zandary. Efa misy tandindona fisamborana io voambolana karohana fatratra ampiharina amin’ny loholona Lylison io koa dia ho hita eo izay mety ho tohiny. Antenaina fa hanome fanazavana misimisy kokoa ny amin’izao raharaha izao koa ny tompon’andraikitra mba hisian’ny mangarahara fa tsy hialokaloka foana ao ambadik’ilay hoe voafehin’ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana.


Andry Ratovo sy RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT