Namoaka fanambarana ofisialy omaly hariva ny filoha tale jeneralin’ny Groupe Sodiat Mamy Ravatomanga izay nilaza fa tsy marina ny filazana fa mikasa ny hitsoaka any ivelany ny tenany.
Tsy misy ifandraisako ny raharaha voatatitra an-gazety tato ho ato izay, hoy ity mpandraharaha mpanefoefo ity, ary vonona ny tenako hiatrika ny fanadihadiana sy ny fitsarana raha ilaina izany. Tsy miafina aho, ary tsy mitsoaka ny fitsarana, hoy izy. Anisan’ny voasava trano niaraka tamin’ny senatera Lylison moa ity PDG an’ny groupe Sodiat ity ary nandeha ny feo fa mety misy ifandraisana amina fikasana hanakorontana maha voarohirohy azy sy ny senatera Lylison. Mety misy ny fifandisoan-kevitra momba ny zava-misy, hoy izy ary raha ilaina dia afaka mamaly ny fanontanian’ny mpanao gazety ny tenany mivantana mba hampisinda ny ahiahy. Mbola eto Madagasikara izany ingahy Maminiaina Ravatomanga raha ity fanambarany ity no heverina. Andrasana ihany koa izay mety ho fihetsiky ny mpitandro ny filaminana manao ny fanadihadiana. Hiroso amin’ny dingana manaraka tokoa ve ka hampiantso na hamoaka didy fampisamborana sa mijanona amin’ilay fisavana trano natao teny Ambohibao fotsiny ?
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.