Politique

Mamy Ratovomalala Hampiandraiketina ny OMNIS ?


  • Zoma 06 Janoary 2012

Mandeha ny resaka amin’izao fotoana fa mety ho lasa tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny OMNIS i Mamy Ratovomalala, minisitry ny harena ankibon’ny tany teo aloha, tao anatin’ny governemanta Vital.

 Araka ny tsiliantsofina dia mety hatao eo ambany fiadidian’ny filohan’ny FAT ny OMNIS. Ity farany izay miandraikitra ireo orinasa mitrandraka solika any ambanin'ny tany. Ny ministeran’ny solika no tokony ho hitantana azy noho izy mahasahana fitrandrahana solika any ambanin’ny tany. Re anefa etsy andanin’izany fa tsy manaiky ity fanapahan-kevitra ity ny fiadidiana ny praiminisitra. Mbola mihantona aloha, araka izany, ny fanapaha-kevitra hatreto.
Araka ny tsiliantsofina ihany, dia mbola ampiasain’ity minisitra teo aloha ity ny birao niasany ao amin’ilay trano be rihana etsy akaikin’ny hotely Colbert Antaninarenina. Asa na misy ifandraisany amin’izany no namindrana eny Ampandrianomby indray ny ministeran’ny harena ankibon’ny tany.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT