Araka ny nambaran’Atoa Mamy Rakotoarivelo, filohan’ny Kongresin’ny tetezamita omaly nandritra ny fanombohan’ny fivoriana tsy ara-potoana voalohan’ny Kongresin’ny tetezamita amin’ity taona ity dia efa nandany ny tondrozotra ny teny Tsimbazaza ka anjaran’ny fahefana mpanatanteraka sisa no mampihatra azy.
Nambarany fa tsy ho tratra amin’ity fivoriana tsy ara-potoana voalohany ity ny fandinihana ny famotsoran-keloka. Tsy maintsy hisy anefa, araka ny filazan’ny filohan’ny CT ihany, ny fitohizan’ny fivoriana tsy ara-potoana. Amin’izay no handinihana misimisy kokoa ilay volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka. Mila dinihana tsara izy io fa tsy azo atao maimaika, hoy ny fanazavany ihany. Momba ny famotsorana ireo gadra politika kosa, mazava ny ao amin’ny tondrozotra, hoy Atoa Mamy Rakotoarivelo fa dia ny fahefana mpanatanteraka, izany hoe ny governemanta no manao azy fa efa vita ny asan’ny parlemanta. Momba ilay volavolan-dalàna momba ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI kosa dia mbola hisy ny asam-baomiera ary mila dinihana tsara ifotony ny volavolan-dalàna, mba tena ho CENI mahaleotena tanteraka, afaka miasa malalaka mikarakara fifidianana madio sy mangarahara no hijoro eto.
Ho mora kokoa amin’izay ny haneken’ny rehetra eto Madagasikara sy any ivelany ny fizotry ny fifidianana sy ny voka-pifidianana hatao. Volavolan-dalàna efatra moa no hodinihana eny Tsimbazaza mandritra izao fivoriana tsy ara-potoana voalohan’ny CT amin’ity taona 2012 ity izao dia ny volavolan-dalàna momba ny CENI, ny fanekena sy fandaniana ny «Accord de Cotonou», fandinihana sy fanekena ny famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ao anatin’ny fandaharan’asa momba ny tontolo iainana andiany faha-3 na PE3 ary ny fandinihana sy fanekena ihany koa ny fanomezam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena momba ny fiarovana ny tontolo iainana ihany. Aorian’ny 12 andro hahavitan’ity fivoriana tsy ara-potoana voalohany ity kosa dia azo antoka fa hisy ny fivoriana faharoa, ka mandritra izany no handinihana ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka sy ny lalàna mifehy ny fifidianana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.