Voahitsakitsaka ny tondrozotra noho ny fanakanan’ny fiadidiana ny tetezamita ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana mivady an-tanindrazana ny sabotsy 21 janoary teo.
Marihina fa i Andry Rajoelina mihitsy no nanome ny baiko fandrarana hanakatonana ny seranam-piaramanidina lehibe rehetra eto Madagasikara, izay nitarika tsy fahafahan’ny fiaramanidin’ny Airlinks nitondra ny filoha Ravalomanana hipetraka teny Ivato. Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena handray andraikitra eo anatrehan’ireny fanapahan-kevitry ny Filohan’ny FAT ireny, ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita sady lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana, Mamy Rakotoarivelo. “Tokony handray fanapahan-kevitra ireo fianakaviambe iraisam-pirenana satria ataon’ny sasany sarintsariny na kilalao ny tondrozotra ka izay tiany arahana ihany no ampihariny”.
Ho an’ny filohan’ny Kaongresin’ny tetezamita dia ny Frantsay no ao ambadik’ireny zava-nisy tamin’ny sabotsy ireny. Nahitsy ny teniny fa tsy mazava mihitsy ny fihetsiky ny fanjakana Frantsay izay milaza fa manaja ny tondrozotra nefa tsy manaraka ny votoatiny. Notsoriny fa efa hatramin’ny fanonganam-panjakana niseho teto tamin’ny taona 2009 ny Frantsay no nanohana an’i Andry Rajoelina ka hatramin’izao fanjakana lazaina fa iaraha-mitantana izao.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.