Samy hotsarain'ny tantara eto isika, hoy ny filohan'ny Kongresin'ny tetezamita Mamy Rakotoarivelo raha nanontaniana momba ny raharaham-pirenena izy.
Nambarany fa misy ireo mpanao politika izay mitady ny hevitra rehetra hanitarana hatrany ny tetezamita. Notsipihany ihany koa fa miasa andro aman'alina mba hikarohana ny vahaolana mahomby hivoahana amin'ny krizy ny ankolafy Ravalomanana. Misy anefa, hoy izy ireo mpanao politika sy vondron'olona toa tsy mankasitraka izany fikaroham-bahaolana izany. Tahaka ireo mpiara-dia aminy dia mihevitra Atoa Mamy Rakotoarivelo fa tokony hotanterahana mialoha ny 26 jona ny fihaonana eo amin'Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina mba hahafahana manafaingana ny fikaroham-bahaolana ivoahana amin'ny krizy.
Momba ny resaka mandeha fa niteny tamin'Atoa Marc Ravalomanana mba tsy hirotsaka hofidiana ny filoha Afrikanina Tatsimo Jacob Zuma, dia nahitsy ny tenin'ny filohan'ny CT nanao hoe : "tsy misy olona na iza na iza afaka manery ny filoha Ravalomanana mba tsy handray anjara amin'ny fifidianana. Anisan'ny soatoavina amin'ny demokrasia izany hoy izy, ary safidy manokan'ilay olona voakasika mivantana fa tsy tokony hidiran'ny hafa...". Nanamafy ny filohan'ny Kongresin'ny tetezamita fa tsy maintsy tonga eto Madagasikara Atoa Marc Ravalomanana, ary ho kandida amin'ny fifidianana filoham-pirenena. Aleonay tsy manao politika intsony raha resy amin’ny fifidianana ny filoha Marc Ravalomanana, hoy Rakotomanjato Rodin tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly.
Nangonin'i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.