Politique

Mamy Rakotoarivelo Tsy hiala anaty fitondrana izahay !


  • Alakamisy 01 Martsa 2012

Be ny fanontaniana nandeha fa hiala ao anaty fitondrana ny ankolafy Ravalomanana noho ireny zava-niseho tao ho ao ireny, hoy ny mpitarika ity ankolafy ity Mamy Rakotoarivelo teny amin’ny Villa Elisabeth omaly nandritra ny fanatrehana ilay Diniky ny samy Malagasy notarihan’ny Pr Zafy Albert.

 Samy manana ny fijeriny ny amin’izay, hoy izy. Izahay aloha hatreto tsy mbola manan-kevitra ny hiala fa resaka politika izany. Azo leferina ny sori-dalana fa ny fampiharana azy no somary manahirana satria misy ny efa zatra ny manao fitondran-tsamirery ka tsy marisika amin’izany. Zava-dehibe ho antsika ny fanaovana itony dinika itony, ho izy, ary efa voasoratra ao anaty sori-dalana fa mitohy ny fifampidinihana eo amin’ny samy Malagasy. Koa hafatra ho anareo mpizaika, hoy ity filohan’ny Kongresin’ny tetezamita ity, ny mba hanairanareo ny TROIKA fa tapitra ny datin’ny 29 febroary nomeny nefa tsy misy fanapahan-kevitra raisiny. Ampy izay fa sazio izay manankantsakana ny fampiharana ny tondrozotra, hoy izy.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT