Feno hipoka ary nifanitsa-kitro ara-bakiteny ny tao an-kianjan’i Magro Behoririka tamin’ny sabotsy 17 septambra liana tamin’ny tatitra nentin’ireo solontenan’ny nanao sonia teny Ivato vao mangiran-dratsy tamin’io andro io.
Tonga teny an-toerana tokoa ny delegasiona mafonja notarihan’i Mamy Rakotoarivelo. Mila fantatrareo ny voarakitra marina ao anatin’ilay sori-dalana nosoniavina, hoy izy. “Sandton iny, nilaza fa mody tsy misy fepetra ny Filoha Marc Ravalomanana”, hoy i Mamy Rakotoarivelo, nanome toky ireo mpiara-dia amin’ny Ankolafy telo. Mazava ny tenin’ny lehiben’ny iraky ny Troika, hoy izy, fa sonian’ilay soridalan’i Sandton io, izay hananganana tetezamita vaovao ary mitarika amin’ny fandravana ny govevernemanta, ny CT, CST ary koa ny CENI. Fandresena ho antsika ireny na dia tsy mbola tonga amin’ny faniriana aza, hoy i Mamy Rakotoarivelo niverina nanafatra ireo mpiara-mitolona. Notohizany ny fanazavana fa raha tazomina filoha i Andry Rajoelina dia avy amin’ny Ankolafy telo ny praiminisitry ny tetezamita. Nihodina tokoa ny tantara, hoy i Manandafy Rakotonirina toa namintina izay voalaza izay. Hiova ny olona hitondra, hoy izy, hisolo ny FAT. Tsy avela midongy toerana intsony ireo ary i Zafy sy Ravalomanana no hametraka ny olony. Misoro amin’ny dingana manaraka isika.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.