Politique

Mamy Rakotoarivelo Nitsipaka tanteraka an-dRavalomanana


  • Talata 08 Martsa 2016

Efa nampoizina hitranga ihany na dia efa tsy nandrasana loatra intsony aza.

 

 Omaly izany dia tamin’ny fomba ofisialy no nanambaran’atoa Rakotoarivelo Mamy, mpandrindra nasionaly ny antoko Tiako i Madagasikara teo aloha sady efa filohan’ny kongresin’ny Tetezamita ihany koa fa hiala tsy ho mpikambana amin’ny antoko TIM izay tarihin’Atoa Ravalomanana Marc intsony ny tenany. Nambarany moa fa ny tsy fitovian’ny fomba fijery intsony ny fahasamihafan’ny antsoina hoe « éthique politique » no nahatonga izao fialany izao. Araka ny fijerin’ny mpanara-baovao politika indray anefa dia karazana fahadisoam-panantenana lalina izao mahazo an’Atoa Rakotoarivelo Mamy izao ka misafotofoto an-tsainy ny hevitra maro samihafa. Anisan’ny ambaran’ny mpanara-baovao ho tena naha kivy azy ny tsy naha lasa loholona azy hany ka ho sarotra ny hahita toerana politika indray. Nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety omaly ihany koa dia nanambara ity mpanao politika ity fa hanangana tokantrano vaovao indray. Toe-javatra izay andrasan’ny manodidina azy mba hitondra fitonian-tsaina ho azy izany taorian’ny nahafaty tampoka ilay tovovavy teratany vahiny Alexandra Smith izay efa nampahafantariny ny mpanao gazety ihany koa fa ho vadiny saingy nindaosin’ny fahafatesana tampoka ramatoa kely . Fantatra moa fa teratany malagasy indray izao kasainy halaina vady izao.

Andry Ratovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT