Eny, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha aho ary nihaona tamin’ny sekretera jeneralin’ny Prezidansa, hoy i Mamy Rakotoarivelo
omaly mahakasika ny resabe niparitaka momba azy. Fiarakaretsaka peugeot 305 no efa nahatazanan’ny olona nandehanany teny Ambohitsorohitra sy Antaninarenina omaly maraina. Mbola io fiara io ihany no nitondra azy teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha avy eo. Raha araka ny nambarany dia resaka momba ny tombontsoa tokony ho azony amin’ny maha filoha andrim-panjakana azy teo aloha no anton-diany teny Iavoloha. Efa filoha’ny kongresin’ny tetezamita tokoa moa taorian’ny fifanarahan’i Maputo Atoa Mamy Rakotoarivelo.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.