Manohana ny fanatanterahana ny fifidianana amin’ny 24 jolay izao ny ankolafy Ravalomanana.
Ny filoha teo aloha Ravalomanana mihitsy no nilaza izany afak’omaly ary nohamafisin’i Mamy Rakotoarivelo indray omaly nandritra ny fanokafana ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohan’ny Kongresin’ny Tetezamita amin’ity taona ity. Nambarany fa tena hevitra tsara sady ilaina ny fampihavanana izay tinapaka teny Ivato saingy tsy azo ahemotra intsony kosa ny fifidianana. Mbola naveriny notakiany koa ny fampiharana ny andininy faha-16, 17, ary 20 ao amin’ny tondrozotra mba hampisy tokoa ny fitoniana. Misy gadra politika tokony avoaka sy omena famotsoran-keloka satria misy manam-pikasana hilatsaka amin’izy ireo, hoy ny filohan’ny kongresin’ny Tetezamita sady filohan’ny delegasionan’ny ankolafy Ravalomananana. Mametraka ahiahy amin’ny fitongilanan’ny CES na ny fitsarana manokana misahana ny fifidianaan araka ny didim-pitsarana navoakany farany teo koa ny tenany ka mitaky fanavaozana ny mpikambana. Fa nahazo tsindrom-paingotra avy amin’i Mamy Rakotoarivelo ihany koa ny governemantan’i Beriziky Jean Omer, izay nambarany fa goragora fiasa.
Faniriana ny hahitana depiote voafidim-bahoaka indray amin’ny fivoriana ara-potoana manaraka, hoy i Mamy Rakotoarivelo, koa heverina fa ity nanomboka omaly ity no fivoriana ara-potoana faran’ny Kongresin’ny tetezamita izay olom-boatendry avy amin’ny ankolafy politika no mandrafitra azy. Andro moa sisa isaina izany hoe amin’ny 26 mey raha ela indrindra dia ho lasa filoha mpiara-mitantana ny Tetezamita i Mamy Rakotoarivelo. Araka ny andininy faha-14 ao amin’ny tondrozotra izay efa lasa lalàna tokoa mantsy dia ny filohan’ny CST, ny CT ary ny Praiminisitra no mitantana ny firenena raha vao mahatontosa ny fametraham-pialany i Andry Rajoelina, noho ity farany kandida filoham-pirenena.
Hisy ato ho ato ny fifidianana ny filohan’ny CST vaovao hisolo toerana ny jeneraly Rasolosoa Dolin izay kandida filoham-pirenena ihany koa. Na dia nanambara fa hametra-pialana aza ity farany omaly dia mijanona ho am-bava aloha izany hatreto. Nisintaka tsy hitarika ny fivoriana ao amin’ny CST intsony kosa ny tenany nanomboka omaly. Haharitra 60 andro ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Parlemanta, izay natao indrindra handinihana ireo volavolan-dalana na tolo-dalana momba ny fampandehanana ny raharaham-pirenena. Andrasana ohatra ny mety handinihana ilay sata famotsoran-keloka momba an’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina sy ny sata manoka mifehy ireo filoham-pirenena teo aloha, araka ilay fehin-kevitra navoaky ny SADC tamin’ny herintaona. Ny 6 mey lasa teo no nisokatra ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo izay ho kandida depiote, ka momba izay indrindra dia nanambara i Mamy Rakotoarivelo fa miankina amin’ny fifandaminana anatiny ao amin’ny ankolafy Ravalomanana ny maha kandida azy na tsia.
Yves sy RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.