Anisan’ireo tompon’andraikitra ambony nanotrona ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena tao Antsirabe omaly 26 jona, ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita, Mamy Rakotoarivelo.
Nambaran’ity farany fa na tsy navelan’ny Faritra hilahatra aza ireo olona avy amin’ny ankolafy misy azy dia nanaiky ny fandaminana izy ireo. Nitondrany fanazavana ihany koa izy fa nampalahelo azy ny fizirizirian’Atoa Andry Rajoelina tsy naneho fahavononana hiatrika ny fihaonana eo aminy sy ny filoha Ravalomanana nialoha ny fetim-pirenena. Nilaozany namonjy ny fihaonana tany Rio de Janeiro (Brezila) kanefa tsy hitondra inona amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara akory izany. Izay ihany koa no antony iray tsy nanatrehan’izy ireo ny fanasana nataony. Mbola mihevitra mantsy Rajoelina fa azy ny fetim-pirenena satria dia ny sariny mihitsy no ao anatin’ny fanasana. Nohamafisiny fa mitaky hatrany ny fanatanterahana ny fihaonan-dRajoelina sy ny filoha Ravalomanana ny ankolafy misy azy. Na dia tsy tanteraka talohan’ny fetim-pirenena aza izany dia tsy maintsy hotontosaina satria mbola ao anaty krizy politika tanteraka i Madagasikara.
Tsy izy ireo irery no mahatsapa fa ilaina ity fihaonana ity fa na ny sehatra iraisam-pirenena aza dia efa ny 01 jona 2012 teo no nitaky ny hanaovana izany maika. Tsy rototra amin’ny famahana ny krizy anefa Andry Rajoelina. Taorian’ny hetsika teo amin’ny tsangambaton’ny fahaleovantena Antsirabe moa dia nirohotra tao an-kianjan’ny Magro Avaratsena avokoa ireo minisitra niisa efatra (Botozaza Pierrot, Ravatomanga Roland, Ihanta Randriamandrato ary Olga Ramalason) niaraka tamin’ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita. Nankahery ireo mpitolona Atoa Mamy Rakotoarivelo, ka nilaza fa «tsy ho ela dia afaka hilahatra eny andanam-be isika ka ireny miaramila ireny no hitazana antsika indray amin’izay fotoana izay». Anisan’ny nambarany ihany koa fa «tsy mitaky zavatra be amin’ny FAT ny ankolafy Ravalomanana fa ny fampiharana tsotra ireo andininy voalaza ao amin’ny tondrozotra hatrany no takiany satria efa niarahana nifanaiky teo anatrehan’ny sehatra iraisam-pirenena izany ka tokony hampiharina ary tsy filam-boatsiary akory izany». Nambaran’i Mamy Rakotoarivelo ihany koa fa “tsy maintsy mody eto Madagasikara ny filoha Marc Ravalomanana na tian’ny FAT na tsy tiany ary hiverina hilatsaka hofidiana ihany koa ary ho lany».
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.