Politique

Mamy Rakotoarivelo “Iza no mampikatso ny raharaham-pirenena eto ?”


  • Alatsinainy 18 Jona 2012

Nanamafy ny fitakian’ny ankolafy Ravalomanana mba hampiharana manontolo sy ara-bakiteny ireo andininy rehetra ao amin’ny tondrozotra, indrindra ny andininy faha-16, 17 ary faha-20, i Mamy Rakotoarivelo, raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety ny sabotsy 16 jona, raha avy nanotrona ny hetsiky ny zanak’i Dada tao amin’ny Magro Behoririka.

 Nambarany fa tsotra ny an’ny Ankolafy Ravalomanana, dia ny tondrozotra izay nosoniavin’ny mpanao politika tamin’ny 17 septambra 2011. Ampiharo io ! Ao anatin’izany, hoy izy ny fametrahana ny fitoniana politika sy sosialy eto amin’ny firenena, ny andininy faha-20 izay hahazoan’ireo sesitany politika miverina eto Madagasikara, tafiditra amin’izany ny filoha Ravalomanana. Mikasika ny fanambaran’ny SADC izay milaza fa izay mampikatso ny fihaonana dia hosaziana, dia fanontaniana no nasetrin’i Mamy Rakotaorivelo hoe : iza no mampikatso ny raharaham-pirenena ? Matoa izahay nampihantona ny fandraisanay anjara amin’ny andrim-panjakan’ny tetezamita izao dia satria izay andininy metimety amin’i Andry Rajoelina sy ireo mpomba azy ao amin’ny tondrozotra no ampihariny. Koa takianay hoy i Mamy Rakotoarivelo ny hampiharana ireo andininy faha-16, 17 ary faha-20 ireo.

Tsy mangataka afa tsy izay izahay fa raha misy ny tsy fanatantarehana izany dia tompon’andraikitra i Andry Rajoelina. Mikasika ny fihaonan’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina araka ny tapaka nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana nataon’ny SADC tany Luanda (Angola) ny 31 mey sy 01 jona 2012 teo, dia nanamarika i Mamy Rakotoarivelo fa mikasa hamonjy ny fihaonana iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana any Brezila i Andry Rajoelina. Natao hikarakara fifidianana ny tetezamita, hoy Rakotoarivelo, fa tsy maimaika amina fihaonana iraisam-pirenena toy izany. Dikan’izany dia tsy zavatra maika ho an’ny vahoaka Malagasy ny fandehanana any Rio de Janeiro Brezila fa ny famahana ny krizy politika aloha no tokony hatrehina. Momba ny filazan’ny Ankolafy Ravalomanana fa tsy ho eny Mahamasina izy ireo amin’ny 26 jona dia nanambara Rakotoarivelo fa mbola sosokevitra avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana io hatreto. Nisy, hoy izy, iny fanambaran’ny Birao fifandraisan’ny SADC iny ka mbola hifampidinihana sao misy marimaritra iraisana eo amin’ny mpanao politika, mba tsy ho tonga amin’ny tsotsorimamba isarahana. Tsapanay fa tsy misy finiavana sy fahavononana hamaha ny krizy avy any amin’i Andry Rajoelina fa ny ho any Rio de Janeiro Brezila no mahamaika azy.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT