Tsy misy paikady manokana ny famerenana ny filoha Marc Ravalomanana. Mazava ny voalazan’ny tondrozotra fa mahazo miverina tsy misy fepetra ny sesitany politika rehetra, anisan’izany izy, hoy i Mamy Rakotoarivelo.
Ny mahatonga ny olana dia ny fieritreretan’ireo mpomba an’i Andry Rajoelina fa hosamborina avy hatrany ny Filoha Ravalomanana raha vao miverina an-tanindrazana no dikan’ny andininy faha-45 amin’ny tondrozotra. Na dia efa niezaka ny hiverina teto Madagasikara aza ny filoha Ravalomanana dia navoaka indray ny «NOTAM» tsy nahazoany niditra. Ny zavatra tiana homarihina, hoy i Mamy Rakotoarivelo, dia tsy meloka velively tamin’iny fifampitifirana nitranga tamin’ny 7 febroary 2009 iny ny Filoha Marc Ravalomanana. Aoka hazava tsara, hoy ny filohan’ny Kongresy sady lehiben’ny ankolafy Ravalomanana, fa “ny fiambenana ny Lapa, izay faritra saropady dia tsy ny filoham-pirenena no manome baiko hoe ambeno io Lapa io vao miambina ny mpiambina. Tena misy fepetra mazava tsara ny fiambenana ny Lapam-panjakana.
Mametra-panontaniana izahay hoe : ahoana no hilazana fa ny Filoha Ravalomanana no naniraka hoe : tifiro ireo mpananika Lapa ireo ? Fa ireo vahoaka ireo, nisy ny faritra mena mazava efa fantany ka iza no naniraka azy ireo hihoa-pefy hananika ny Lapa ? Nisy tompon’andraikitra tao, Atoa Rajoelina no naniraka hoe mandehana raiso io Lapa io nefa fantany mazava tsara fa tsy eken’ny lalàna manankery izany toe-javatra izany». Mitondra fanazavana fanampiny izahay, hoy i Mamy Rakotoarivelo fa i Andry Rajoelina no naniraka ny vahoaka izay niaraka taminy, tamin’ny 26 janoary 2009 hoe : «tsofiko rano ianareo», dia nirehitra Antananarivo. Ka iza moa no tompon’andraikitra sy namono olona ary nanimba fananana tamin’izany, nefa i Andry Rajoelina tsy nokitikitihan’ny fitsarana mihitsy ? Tamin’ny 7 febroary 2009, iza no naniraka ny olona haka ny Lapa eny Ambohitsorohitra ? Toa tsy voakitikitika mihitsy nefa meloka tanteraka. Ary taorian’ny fakany fahefana tamin’ny fomba tsy ara-dalàna dia mbola nisy ny fanenjehana ny mpomba an’Atoa Ravalomanana ary marobe ny maty. Iza no tompon’andraikitra tamin’ireny ? Iza no nandatsa-dra ?
Araka izany, tsy misy afaka manenjika ny filoha Ravalomanana fa izy no no nandatsa-dra. Ry zareo no tena rangory fototry ny afo nikononkonona iny fanozongozonana ny Filoha Ravalomanana iny. Tsy mila famontsoran-keloka izany ny filoha Ravalomanana raha ny marina fa ireo olona manodidina an’i Andry Rajoelina sy izy tenany aza no tena mila “aministie”.
Ny fanonganam-panjakana nataon-dRajoelina anie ka mendrika fanamelohana mandra-pahafaty mihitsy, nefa mbola nekena ho filohan’ny tetezamita hitondra firenena ihany izy. Fandeferana lehibe no nataonay tamin’izany ka nahoana no anaovana antsojay ohatra izao ny Filoha Ravalomanana sy ny fianakaviany izay fanitsakitsahana ny voalazan’ny tondrozotra marindrano izany ? Matoky tanteraka ny Troika SADC izahay, hoy i Mamy Rakotoarivelo fa hametraka ny zavatra rehetra tokony hapetraka ao anaty tondrozotra ry zareo. Manantena ny fiverenan’ny Filoha Marc Ravalomanana tsy ho ela izahay, toy izany koa ny fisokafan’ny haino aman-jery rehetra nakatona ary ny fahazoan’ny vahoaka maneho hevitra an-kahalalahana izay antoky ny fitoniana tanteraka hivahan’ny krizy.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.