Politique

Mamy Rakotoarivelo Hotsaraina amin’ny 18 mey


  • Alarobia 02 Mey 2012

Mikorapaka sy mandrovi-tsihy, araka ny fomba fiteny ny mpitondra FAT. Mipoitra indray mantsy izao ny raharaham-pitsarana mahakasika manokana ireo olon’ny mpanohitra ny fitondrana.

 Taorian’ny nidarohana baomba lakrymozena ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita Mamy Rakotoarivelo dia nahazo fampiantsoana eny amin’ny fitsarana indray koa ny tenany amin’ny 18 mey ho avy izao. Mahakasika ny raharaha “Marais Masay” nitranga tamin’ny martsa 2011, izay niampangana azy ho nifofo ny ain’i Andry Rajoelina izy ity. Miakatra fitsarana amin’ity alarobia 2 mey ity ihany koa ny raharaha FIGN. Mandeha koa ny resaka fa efa eo am-pikarohana ny fomba rehetra hahafahana mitarika eo amin’ny fitsarana ireo mpanao politika ao anatin’ny ankolafy Ravalomanana. Mipetraka ihany ny fanontaniana eo anatrehan’izany hoe : hatao haingon-databatra ve izany ny tondrozotra sa hampiharina ? Voasoratra mazava amin’ny andininy faha-16 ao mantsy ny tokony hampitsaharana ny fanenjehana ara-pitsarana, ny mpanohitra indrindra indrindra. Na izany na tsy izany, izao trangan-javatra miseho izao dia midika fa mikorapaka ry Andry Rajoelina sy ny tariny e ! Ny lasa tsy fanadino ary mba tsara ihany ny mahafantatra ny tantara.

Tsy ny TGV akory no antoko politika henjana sy mahay indrindra eto ka hahavita hametsy ny hafa rehetra, hoy ny Parlemantera iray avy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana. Mbola nampiany moa fa mba efa samy nahita ny zava-misy hatramin’izay ary samy mahalala tsara ny fomba fiasan’ny FAT ka tsy misy afaka mifametsifetsy izany intsony eto. Tafiditra teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey, omaly tolakandro ny ankolafy Ravalomanana rehefa avy niainga tao amin’ny Magro ka nandalo an’i Behoririka sy Soarano. Sarotra ny mino fa tsy nahafantatra io hetsika io ny mpitandro ny filaminana, satria miasa andro aman’alina ny mpitsikilo ary misy tonga isan’andro ao amin’ny Magro Behoririka izy ireo. Saingy tsy hita teny amin’ny Magro sy ny manodidina ny Emmo-Reg. Mba naka aina ve, sa nahazo baiko ny mba tsy hihetsika ? Dia inona no fonosin’izany rehetra izany ? Miaiky ve izy ireo fa diso tamin’ny zavatra nataony ny sabotsy teo, ka mba mampiady baolina aloha ? Anosy indray no "direction" amin’ity anio ity, ka ho hita eo ny ho fivoakany. Miakatra ambony ny maripana !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT