Politique

Mamy Rakotoarivelo «Hody i Marc Ravalomanana, voasazy Rajoelina»


  • Alatsinainy 03 Septambra 2012

Elaela no tsy nahitana an’i Mamy Rakotoarivelo teto an-tanindrazana.

 Araka ny fanazavany dia anisan’ireo nanotrona sy niara-niasa akaiky tamin’i Marc Ravalomanana tamin’ireny dinika in-droa miantoana tany Seychelles ireny ny tenany. Raha ny vaovao nampitainy tamin’ireo mpiara-dia ny amin’ny ankolafy Ravalomanana tetsy amin’ny Kianjan’ny Finoana ny sabotsy 01 septambra teo dia zavatra telo no nanontaniana tamin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina tany. Ny filoha afrikanina Tatsimo, Jacob Zuma, araka ny fanazavany, no nanontany tsirairay avy azy mianaka. Anisan’ny fanontaniana napetraka ny fanekena na tsia ny datim-pifidianana naroson’ny CENIT, ny hoe hilatsaka hofidiana ve sa tsia i Marc Ravalomanana sy ny fanekena na tsia ny fampiharana ny andininy faha-20 sy 45 ao amin’ny sori-dalana. “Neken’ny filoha Ravalomanana avokoa ireo”, hoy i Mamy Rakotoarivelo izay nanindry mazava fa “tsy nisy izany «ni..ni» izany tany (Seychelles)”. Inoako, hoy izy fa tsy nifanalavitra tamin’ireo no niadian-kevitra tany Maputo.

Ao anatin’ilay fanambarana miafina, araka ny fanazavana ihany, ny hoe : tsy maintsy mody i Marc Ravalomanana sy ny fahazoan’izay te hilatsaka hofidiana rehetra mirotsaka, ny fanekena ny datim-pifidianana. Mahavariana, hoy ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita ny filazan’ny filohan’ny FAT fa tsy misy misakana azy tsy hilatsaka, fa ny filoha Ravalomanana no voasakana noho ny didim-pitsarana izay miandry azy.

Ny mifanohitra amin’izany no misy, araka ny nambaran’i Mamy Rakotoarivelo. Andry Rajoelina, nanongam-panjakana no sazin’ny andininy faha-96 amin’ny fifanarahan’i Cotounou sy ny sata afrikanina momba ny zon’olombelona, hoy ihany izy. Na izany aza anefa dia navela hirotsaka izy ka ny Malagasy no hisafidy malalaka. Tsy misy intsony izany «ni…ni» izany ho an’ny SADC, hoy ihany i Mamy Rakotoarivelo. «Herinandro vitsy sisa isaina dia higadona an-tanindrazana i Marc Ravalomanana», hoy ihany i Mamy Rakotoarivelo izay nanentana ireo mpandala ny ara-dalàna ho avy maro eny amin’ny Kianja Magro hanomanana izany fahatongavan’ny filoha teo aloha izany.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT