Tsy marina ny filazana fa ho kandidan’ny ankolafy Ravalomanana ny filohan’ny Fjkm ny mpitandrina Lala Rasendrahasina, araka ny nambaran’i Mamy Rakotoarivelo, lehiben’ny delegasion’ity ankolafy ity no sady filohan’ny kongresin’ny tetezamita, omaly teny Anosy. Nambarany ihany koa fa tsy mahafeno ny fepetra ho kandida intsony Rtoa Lalao Ravalomanana, fa afaka manao izany kosa anefa i Tojo Ravalomanana. Anisan’ny zava-baovao nambaran’ny filohan’ny kongresin’ny tetezamita omaly koa ny hoe : hisy delegasiona avy amin’ny ankolafy Ravalomanana hihazo an’i Afrika Atsimo ato ho ato, hihaona amin’ny filoha teo aloha ary handinika hiaraka aminy ny paikady tokony hatao. Nomarihany tsara koa anefa fa mbola manankery hatrany ny tenin’i Marc Ravalomanana hoe : tsy manolotra kandida raha tsy tafaverina an-tanindrazana ny tenany, ary raha sanatria ka tsy tafaverina mihitsy dia tsy handray anjara amin’ny zotram-pifidianana ity ankolafy ity.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.