Efa miasa izahay ao anatin’ireo andrim-panjakana, hoy i Mamy Rakotoarivelo, filohan’ny Kongresin’ny tetezamita sady lehiben’ny delegasiona Ravalomanana raha tonga tao amin’ny kianjan’i Magro ny tenany ny sabotsy 07 janoary teo.
«Raha sanatria ka hisy zavatra hampikatso ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana anefa dia handray fanapahan-kevitra hentitra izahay. Raha ny ankolafy Ravalomanana no misintaka amin’izao dia ho poakaty ireo andrim-panjakana ireo», hoy hatrany i Mamy Rakotoarivelo izay nanamafy fa “tokony hifanarahana tsara raha hampiharina na tsia ilay sori-dalana”.
Notsiahiviny fa antoko matanjaka ny Tiako i Madagasikara izay ao anatin’ny ankolafy Ravalomanana. Be dia be ny zavatra anatin’ilay sori-dalana no iniana tsy narahina. Raha hampiharina izany dia notsindriany ny fanatanterahana ny andininy faha-16, 17 ary 20. «Te hahazo fankatoavana ny FAT nefa matahotra ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana», hoy ihany izy. Manoloana izany indrindra dia takian’ny ankolafy Ravalomanana ny fivoahan’ireo gadra politika sivily sy miaramila miisa 41 mbola any am-ponja, eo koa ny fampitsaharana ny fanenjehana rehetra, ny fanokafana ireo haino aman-jery nakatona ary indrindra indrindra ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana tsy misy fepetra. Ho hitantsika eo, hoy izy fa «hisy vaovao hipoaka be amin’ity herinandro ity».
Momba ny fodian’ny filoha an-tanindrazana dia nambaran’ity lehiben’ny delegasionan’ny ankolafy Ravalomanana ity fa efa nifampiresaka matetika tamin’ny filoha ny tenany ka kely sisa dia tonga ny fotoana amin’izany. «Tsy hanome daty aho fa betsaka no manao ankasomparana», hoy i Mamy Rakotoarivelo. Notanisainy tamin’izany moa ny fisiana NOTAM, ny baomba izay lazaina fa napetrany. Ankoatra izay dia nanentana ireo mpiara-dia taminy etsy amin’ny kianjan’ny Finoana ny tenany mba hiray hina hatrany, tsy hanaiky hozarazarain’ireo malahelo seza. Tsy hijanona ny eto amin’ny Magro raha tsy i ‘Ðada’ no tonga ka miteny fa mijanona izany hetsika izany, hoy i Mamy Rakotoarivelo izay mbola nanamafy fa nahazo ny fankatoavan’ny filoha Ravalomanana avokoa ny hetsika sy ny fanapahan-kevitra noraisina hatreto.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.