Politique

Mamy Rabenirina "Ara-drariny ny fandavana ny Tanà-masoandro"


  • Zoma 25 Oktobra 2019

Raha nampiato ny tetikasa Tanà-masoandro ny filoham-pirenena dia mbola mitohy hatrany ny fanehoan-kevitra mahakasika izany.

 

 

Lojika ny fanitarana ny tanàna, araka ny vinan'ny filoham-pirenena saingy tokony hiverenana hodinihana ny toerana hanatanterahana izany, hoy i Mamy Rabenirina, solombavambahoaka voafidy tao Ambohidratrimo. Tsy fanotofana tanimbary, izay fiveloman'ny olona no vahaolana tokana hanatratrarana ny tanjona hanitarana tanàna. Ara-drariny ny fandavan'ny olona ny tetikasa Tanà-masoandro raha ny eny Ambohitrimanjaka satria tanimbary hivelomany no esorina aminy. Nomarihany hatrany fa ny voly vary izay manana anjara lehibe ara-toekarena sy fototra hivelomana mihitsy. Raha tena hikatsaka ny tombontsoan' ny vahoaka ny filoham-pirenena dia fanatsarana sy fampiroboroboana ny fambolem-bary aza no tokony hataony, hoy hatrany ny fanazavana.

 

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT