Nataon’ny zandary sy polisy andrimaso ireo olona nikasa ny hidina an-dalambe tao Mampikony manohitra ny fihetsik’ireo olom-panjakana sy lohandohan’ny antokon’ny fitondrana ao an-toerana.
Mandia fotoan-tsarotra ihany koa ny mponina ao an-toerana nanomboka omaly vokatry ny fiakaran’ny rano ka dia tao amin’ny Tranompokonolona ny solombavambahoakan’i Mampikony, Raphaelien Solofoniaina Emilien Narison, niaraka tamin’ny mpanao politika sy sojabe ao an-toerana no nihaona tamin’ny vahoaka. Nivoitra tamin’izany ny fitakiana ny hanoloana ny lehiben’ny Distrikan’i Mampikony, ny hamerenana amin’ny lycée ny taniny lasan’olon-tokana ary ny handraisan’ny fanjakana fepetra amin’ny olon’ny HVM tondroin’izy ireo ho mpanakorontana ny tanàna. Milaza ny mbola hifamotoana izy ireo, hanohizana ny hetsika.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.