Mafanafana ny toe-draharaha ao Mampikony. Fifandirana politika teo amin’ny solombavambahoaka tsy miankina voafidy tao Mampikony,
Raphaelien Solofoniaina Emilien Narison sy ny lehiben’ny Distrika ao an-toerana nandritra ny fifidianana Loholona tamin’ny 29 desambra 2015 no niandohany. Tao amin’ny vovonana Makalombo niaraka tamin’ny MAPAR ny depiote tamin’io. Niitatra teny ny disadisa ary vao mainka nampihombo azy ny fivarotan’ny lohandohany amin’ny mpiaradia amin’ny antokon’ny fitondrana ny tanin’ny liseam-panjakana ao Mampikony. Nifandimby niakatra tao amin’ny Radio Mangaroa, izay onjam-peo tsy miankina ao Mampikony ireo mpanohitra sy ny mpomba izao fitondrana izao, omaly hariva. Nandritra izany no nandrenesana fa hisy fihetsiketsehana an-dalambe hataon’ny mponina ao an-toerana anio, ary handray anjara hatramin’ny mpianatry ny lisea Mampikony. Niezaka nampitony ny tsy hirosoana amin’ny hetsi-bahoaka ireo olobe sy ny provizeran’ny lisea, saingy toa efa tongotra mby an-dakana ny an’ireo mpitarika ny hetsika, ka dia mety hafanafana ao an-tanànan’i Mampikony amin’ity anio ity.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.