Vao miandoha ny herinandro dia efa nafampana ny toe-draharaha tao an-drenivohitry ny Distrikan’i Mampikony omaly.
Nidina an-dalambe sady nilanja ny mpianatra sy ny mpampianatra, nampian’ny ray aman-drenin’ny mpianatra ary nitokona teo anoloan’ny biraon’ny Distrika. Mitaky ny hialan’ny lehiben’ny Distrika ny mpanao fohetsiketsehana noho ny ambaran’izy ireo fa tsy fandraisan’andraikitra ataon’ity solontenam-panjakana ity, manoloana ny fibodoana sy fivarotan’ny sasany ny tanin’ny lisea. Loharanom-baovao hafa indray no milaza fa tanin’olon-tsotra nomeny hanorenana “lycée agricole” tamin’ny fotoan’andro io. Nalain’ny tompony indray ny tany rehefa nitsipozipozy namono tena ilay “lycée agricole”, ary nampiasainy. Mifamahofaho ny resaka ankehitriny satria misy endrika fanararaotana politika ity raharaha ity, hoy hatrany ity loharanom-baovao ity.
Jean D.
Mampikony
Fitokonambe mitaky ny fialan’ny Sefo Distrika
Vao miandoha ny herinandro dia efa nafampana ny toe-draharaha tao an-drenivohitry ny Distrikan’i Mampikony omaly. Nidina an-dalambe sady nilanja ny mpianatra sy ny mpampianatra, nampian’ny ray aman-drenin’ny mpianatra ary nitokona teo anoloan’ny biraon’ny Distrika. Mitaky ny hialan’ny lehiben’ny Distrika ny mpanao fohetsiketsehana noho ny ambaran’izy ireo fa tsy fandraisan’andraikitra ataon’ity solontenam-panjakana ity, manoloana ny fibodoana sy fivarotan’ny sasany ny tanin’ny lisea. Loharanom-baovao hafa indray no milaza fa tanin’olon-tsotra nomeny hanorenana “lycée agricole” tamin’ny fotoan’andro io. Nalain’ny tompony indray ny tany rehefa nitsipozipozy namono tena ilay “lycée agricole”, ary nampiasainy. Mifamahofaho ny resaka ankehitriny satria misy endrika fanararaotana politika ity raharaha ity, hoy hatrany ity loharanom-baovao ity.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.