Mandeha indray ny fikotrehana fanoloana sefom-pokontany amin’izao ankatoky ny fifidianana izao ben’ny tanàna izao noho ny kajikajy politika maloto.
Any amin’ireo Kaominina izay atahorana ho resy ny kandidan'ny IRK (IRD) no tena hisehoan’io. Efa mahoraka fa hosoloina ny eny Ivato-Ambohidratrimo, ny teny Sabotsy Namehana efa nisy nosoloina, ny eto Antananarivo dia isan’ny gidragidra amin’izao fotoana izao ny etsy Mahavoky,… Tany amin’ny fifidianana solombavambahoaka dia efa nisy fanoloana sefom-pokontany maro teto Antananarivo tao amin’ny Boriborintany faha-5 izay niteraka adihevitra tamin’izany fotoana. Tsara ho fantatra anefa, araka ny loharanom-baovao, akaiky ny CENI, fa efa nangataka tany amin'ny ministeran'ny Atitany ny CENI mba tsy hanoloana ireo sefo fokontany sy « chef d'arrondissement administratif » amin'izao ankatoky ny fifidianana izao, mba tsy hanakorontana ny zotram-pifidianana. Tsy “agent electoral” miantsoroka mivantana ny fifidianana ny sefom-pokontany fa izy kosa dia isany manatitra voka-pifidianana any amin'ny SRMV miaraka amin'ny delege. Miteraka ahiahy amin’ny ho fahadiovan’ny fifidianana hatrany ny tranga tahaka izao, ary efa misy antoko mampiaka-peo ihany koa manoloana ny fisiana sefom-pokontany miaraka amina kandida mandritra ny “pré-campagne”. Ny zava-niseho hatramin’izay rahateo toa zary manome leson-dratsy ny mpanao politika hoe hadalan’izay tsy hangalatra sy tsy handika lalàna, raha tarafina amin’ny azo raisina fa tsy mitombina setriny amin’ny fitoriana samihafa. Zary ireo mahatsiaro lasibatra no mahazo tsiny amin’ny filazana fa tsy mahafeno fepetra ny fitoriana, eny fa na dia mpahay lalàna ambony izao aza ny an’ny sasany no mandrafitra izany. Mila jerena akaiky ity raharaha sefom-pokontany ity, raha tena mitady fahadiovan’ny fifidianana marina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.