Tsy hay na ho tanteraka na tsia anio, ao anatin’ny fifanatrehan’ny governemanta sy ireo solombavambahoaka, ny hetahetan’ny depiote Mamod’Ali Hawel avy any Morondava. Nambarany fa tokony hasiana adihevitra mangarahara eo amin-dry zareo sy ireo minisitra mpanatanteraka tarihan’ny praminisitra Kolo Roger hahafantaran’ny vahoaka izay tombontsoa tena azon’ny tsirairay avy ary halefa mivantana amin’ny RNM sy TVM mihitsy izany ho fantatry ny besinimaro.......
Tsy fahafirin’ny tombontsoan’ireo mpanatanteraka akory izay mba azonay ety amin’ity rafitra mpanao lalàna ity, hoy izy. Voatsikera foana mantsy izahay depiote ankehitriny amin’izay fiadiana ny tombontsoa izay tokony hanananay nefa zonay tanteraka, araka ny lalàna misy, ny mahazo ny hoenti-manana hahazoana manasoa ny vahoaka. Raha tsy vitanay moa ny miaro ny momba anay hataonay ahoana ny hiaro ny vahoaka nifidy anay ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.