Politique

Mamitiana Ravelonanosy «Tsy mbola misy izany fiaraha-mitantana izany


  • Zoma 07 Septambra 2012

«Tsy mbola misy izany fiaraha-mitantana izany», hoy ny CT Mamitiana Ravelonanosy nanoloana ny fihetsika natao tamin’ireo manampahefana avy amin’ny ankolafy Ravalomanana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny alarobia 05 septambra teo raha tafaverina avy any Afrika Atsimo.

 Ireny fisavana natao sy ny fihetsika natao tamin’ireo tompon’andraiki-panjakana avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ireny, hoy izy dia midika fa tsy misy koa ny fitoniana politika eto. Mavesatra loatra ny fandraisan’anjaran’ireo lazaina ho mpitandro filaminana amin’ny resaka politika, hoy ihany ity mpikambana eo anivon’ny Kongresy ity. Ankoatra izay dia nambaran’ny CT Mamitiana Ravelonanosy fa fehin-kevitra efa nivoaka tamin’ny fivorian’ireo mpitondra fanjakana teo anivon’ny SADC ny tsy maintsy hodian’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana tsy misy fepetra. Noho izany, hoy izy, tokony hosaziana izay tsy manatanteraka izany na izay misakana izany satria “io fodian-dRavalomanana io no vahaolana”.

Nohamafisin’i Zafilahy Stanislas moa izany fa rehefa tafaverina Ravalo dia «alaminay, arindranay, vitanay io tsy fandriampahalemana io», hoy izy. Rehefa mikorontana ny fiainam-pirenena dia azo atao daholo ny tsy fanao, hoy ihany izy. Nambaran’ity filoha lefitry ny Kongresy ity ihany koa tetsy andanin’izany fa tsy tongatonga ho azy ny fanapahan-kevitry ny filoha Ravalomanana hiverina hitondra ny antoko Tiako I Madagasikara. Be loatra, hoy izy ireo miseho azy ho tompony. Izany koa dia midika, hoy ihany i Zafilahy Stanislas fa efa tsy ho ela ny fotoana hahatongavan-dRavalomanana eto an-tanindrazana ka hiantsoany ny rehetra hanambatra ny hery sy handray ny andraikitra tandrify ny tsirairay.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT