Politique

Mamitiana Fabergé Gabriel Voaaro amin’izay ny prezidŕ Ravalomanana


  • Talata 21 Aogositra 2012

Manoloana ny zavatra natao tany Maputo, ny zavatra tsara hosoritana voalohany dia ny tokony hampandeferana ny hambom-po sy ny fitiavan-tenan’ny tsirairay indrindra izy mirahalahy, hoy ny CST Mamitiana Fabergé Gabriel.

 . Ny tombontsoan’ny vahoaka 20 tapitrisa no jerena. Ny olona hitondra firenena izany dia mila mahatsapa tsara ny fihafiana sy ny fahorian’ny vahoaka hoentina ao anatiny. Mila mijery ny teboka iray hitambarana izy ireo hamahana ny olana mifanandrify amin’ny tombontsoan’ny besinimaro. Fa ny manahirana ny Fat dia ny fitandroana manokana ny fiarovana ny filoha Ravalomanana. Matoa nantsoina tany Maputo ireo tompon’andraikitry ny fitandroana ny filaminana eto Madagasikara dia mino sy matoky izahay fa tsy maintsy nisy dinika manokana mikasika izany ary dia mino ihany koa izahay fa hisy ny vahaolana.

Tsy ilaina intsony ny mikitika ny sori-dalana na handrafitra vaovao hafa indray fa io efa mipetraka io no hatsaraina ary ampiharina daholo ny fepetra rehetra izay voasoratra isaky ny andininy ao anatiny, indrindra ny andininy izay miteraka sakana. Manoloana ny firesahana hoe : ny manodidina an’ireo olona roa ireo indray no manolokevitra miteraka sakana amin’ny famahana ny olana dia nanambara ny CST Fabergé fa aminy dia «mauvaise foi» ny tsy fanatanterahana ny zavatra efa nekena sy natao sonia. Tsy mety amintsika Malagasy izay hoe : hafa ny zavatra nifanarahana, hafa ny zavatra ambara ny vahoaka fa ny zavatra nekena dia tokony ampiharina n’iza faly n’iza tsy faly. Satria tsy mora izany mitondra firenena izany amin’ny famitapitahana vahoaka lalandava.

Manohy 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT