Politique

Mamitiana Fabergé Gabriel (GMMR) Manentana an’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina hiatrika ny fihaonana


  • Talata 19 Jona 2012

Manoloana ny zava-misy ankehitriny any Atsimo izay tena mampalahelo tokoa dia miantso ny fitondram-panjakana mahefa rehetra voakasik’ireo raharaha io izahay GMMR mba handray andraikitra, hoy ny CST Mamitiana Fabergé Gabriel.

 Amin’ny maha solontenan’ny vahoaka sy amin’ny maha avy any Atsimo dia manamafy ary miangavy fitondram-panjakana handray andraikitra maika sy hentitra manoloana ny toe-draharaha misy any. Ohatra anay manokana moa izany, hoy ity CST ity, dia marihana fa ny mifampiraharaha amin’ny dahalo dia somary manahirana ka fepetra hentitra no tokony horaisina amin’izany. Iarahantsika mahalala fa noho ny tsy fandehanan’ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny no mahatonga ny korontana etsy sy eroa amin’izao fotoana izao ka ny vahaolana tsara sy maika izay tena ilaintsika dia ny fitadiavana marimaritra iraisana.

Ary izao moa iaraha-mahita sy mandre amin’ny haino aman-jery fa hoe hisy fihaonana izay ataon’ireo olona roa fototry ny olana teto amin’ny firenena. Ka amin’ny maha tompon’andraikitra politika anay dia anisan’ny manentana sy manamafy ny hisian’izany fihaonana izany izahay ary mba hiteraka vokatsoa, hisy ny fandeferana, hisy ny marimaritra iraisana, ary hisy ny fomba fiarahana mijery ny vahoaka 20 tapitrisa fa tsy tombontsoan’olon-tokana no jerena amin’ity firenena ity. Koa dia manentana an’izy mirahalahy mianaka hanatrika izany fihaonana izany mba ahitana vahaolana tsy ho ela amin’ity firenena ity. Ka mahavita an’io fetim-pirenena io isika dia mba misy handrasan’ny vahoaka izany, na ho fifidianana izany, na fomba fomba fijery vaovao hametrahana fomba fiasa, stratejia vaovao na ara-politika io na ara-teknika io, na ohatra hoe iaraha-manapaka hoe tsy maintsy ny soridalana no atao dia tanterahana araka izay voalaza ao anatin’io no atao fa tsy ho anarany fotsiny no jerena amin’ilay izy.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT