Politique

Maminiaina Rabenirina « Hafa ihany ny TIM rehefa miasa »


  • Alatsinainy 08 Aprily 2019

Mampiavaka ny antoko Tiako I Madagasikara hatramin’izay ka hatramin’izao ny fomba fiasany izay manana ny tanjony mazava ary miezaka manatratra haingana izany.

 

Tohizana izany fomba fiasa tsara sy efa mahazatra  izany hoy ny kandida solombavambahoakan’ny Distrikan’Ambohidratrimo Maminiaina Rabenirina Solondraibe sy ireo ekipany. Hatsaraina hoy izy ny paikady rehetra mba ho tombony hatrany ho an’ny vahoaka ary hiteraka fampandrosoana. Volavolan-dalàna maro no efa nomanina araka izany ary niainga tamin’ny fijerevana manokana ny filàn’ny mponina. Raha ny distrikan’Ambohidratrimo manokana dia tena ilaina hoy izy ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny fananan-tany hanamoràna ny fiarovana ny zon’ny vahoaka. Mbola malalaka sy midadasika ny faritra maro amin’iny distrika iny ka mampirangorango sy mampilendalenda ny mpisoloky. Mampiavaka ity kandida ity ihany koa ny fananany vahaolana ny amin’ny fitateram-bahoaka. Ilaina hoy izy ny fanatsarana ny lalàna mifehy ny fitateram-bahoaka mba ho matihanina satria tena olana mampikaikaika ny mponina ny fivezivezeny andavanandro indrindra ny fodiana. Ankoatr’izay dia laharam-pahamehana ihany koa ny lafiny fandriam-pahalemana izay ilàna lalàna hanavaozana ny fitsipika fametrahana tobin’ny mpitandron’ny filaminana. Antoko lehibe hoy izy ny TIM ary asa avy hatrany no ao an-tsain’ny olona raha vao maheno fotsiny izany anaran’antoko izany. Tsy mila mividy olona ary tsy manao kolikoly ny TIM fa efa voasedra sy tsara ofana nohon’ny traikefa ananan’ny filoha mpitarika azy, Marc Ravalomanana.

Tsirinasolo

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT