Ho ambohipihaonan’ny vondrona politika mpanohitra izao fitondrana izao etsy Andrefanambohijanahary amin’ny 18 febroary ho avy izao.
Fihaonambe voalohan’izy ireo amin’ity taona ity io, rehefa nangingina taorian’ny nampitsefotra ny hetsiky ny Mitsangana ry Malagasy saika hatao tao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny faramparan’ny volana septambra 2016, tranga izay nitarika ny fialana an-daharan’ny mpikambana sasany toa ny mpitarika ny APM (Antoko Politika Madio) Rakotoarisoa Faniry Alban. Mitety faritra ireo lohandohan’ny mpisorona mitonona ho mpanohitra ireo, mametraka fototra. Tany Tolagnaro renivohitry ny Faritra Anosy i Hajo Andrianainarivelo (VPMMM) sy ny jeneraly Camille Vital (Hiaraka isika), ny alarobia 8 febroary teo. Nitsena azy ireo teny ampahatongavana teny amin’ny seranam-piaramanidina Tolagnaro ny mpanao politika Soja Jean André na Kaleta (Liaraike). Nitohy tao Toliara ny dian’i Hajo Andrianainarivelo sy Camille Vital ny alakamisy. Amin’ny haino aman-jery no ahenoana an-dry Pastera Tsarahame Edouard manentana ho amin’io fihaonana amin’ny 18 febroary io.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.