Politique

Malalatiana Rasoaniaina “Mihetraketraka ny FAT !”


  • Talata 07 Febroary 2012

«Tokony ho menatra Rajoelina», hoy i Malalatiana Rasoaniaina, avy ao amin’ny vehivavy MFM raha naneho ny heviny tamin’ny nanakanan’ny FAT an-dRtoa Lalao Ravalomanana tsy hody an-tanindrazana.

 Manoloana izany dia mampitandrina an-dRajoelina sy ireo mpanara-dia azy ny Vovonan’ireo fikambanana manohana an-dRavalomanana satria efa sangy mihoatra ny loha no nataon’ny FAT. Tsy natao hahakivy, hoy izy ireny trangan-javatra ireny fa ireny aza no lasa fitaovam-piadiana. Ankoatra izay dia nametra-panontaniana ny amin’ireo fikambanam-behivavy milaza ho miaro no zon’ny vehivavy koa i Malalatiana Rasoaniaina. Hatreto tokoa manko dia tsy nisy niloa-bava ireo karazam-pikambanana, indrindra fa ny an’ny vehivavy, ny amin’ny fanosihosena ny zo maha olona sy ny zon’ny vehivavy nataon’ny FAT. Mazava, hoy i Malalatiana Rasoaniaina fa dia ny tombontsoan’izy ireo sy ny ady seza no tena ifotoran’izy ireo. Ankoatra izay, momba ny fihetsiky ny praiminisitra dia nambaran’ity vehivavy MFM ity ihany fa mampiady angely fotsiny ihany ny lehiben’ny governemanta. Koa rehefa tsy mahefa izy dia tokony hiala ihany koa.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT