Nampahafantatra ny fijoroany tamim-pomba ofisialy ny fikambanana Malagasy Tia tanindrazana ho amin’ny fanovana ifotony ireo mpikambana ao aminy ny sabotsy teo.
Fampahafantarana izay narahin’izy ireo fampitan-kafatra sahady ny amin’ny hidinany ifotony hitetezany tanàna hampahafantarany ilay boky “Madagascar le changement” izay novolavolain’ireo teknisianina manampahaizana nanomboka tamin’ny taona 2009 hahafahana manova ny rafitra misy eto amin’ny firenena. Tsy ny fitondrana ihany no mila ovaina, hoy izy ireo fa ny rafitra ihany koa satria mbola ilay rafitra mampahantra ny vahoaka, manao ampihimamba ny harem-pirenena no misy eto amintsika. Ny mahavariana, hoy izy ireo, dia anisan’ny nandray anjara tamin’ny famolavolana ity boky ity ny filoham-pirenena amin’izao fotoana saingy izy indray no matahotra ny hampihatra azy. Efa nisy ihany ny ezaka nataon’ny mpitondra teo aloha hanova ilay rafitra toy ny tamin’ny andron’ny filoha Ratsiraka saingy tsy tanteraka. Ankehitriny, fitondrana tsy izy no mijoro eto amintsika fa fahavalom-bahoaka satria mpamono olona ( Anjozorobe), mpaka an-keriny ny tanim-bahoaka, mpanangona harem-pirenena toy ny ataon’ireo vehivavy tandapa … Hijoro, araka izany, ny Malagasy Tia tanindrazana ho amin’ny fanovana ifotony izay tsy maintsy hitady lalana hanilihana izao fitondrana mijoro izao ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy. Nanamafy moa i Joseph Yoland filohan’ny fikambanana fa afaka miady amin’ny minisiteran’ny Atitany ny prefektioran’Antananarivo Renivohitra raha toa ka hanakana azy ireny tsy hidina hampahafantatra ny vahoaka mikasika ity boky ity satria efa nahazo alalana izy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.