Politique

Malagasy mpifidy Mbola ho voavidin’ny tolotolotra ihany ve ?


  • Talata 12 Martsa 2019

Manakaiky ity ny fotoam-pifidianana izay ho solombavambahoaka ka mipetraka ary ny fanontaniana hoe: Iza no hofidiana? Olona tahaka ny ahoana no tokony ho mpitondra firenena ? “olona ambony” no niantsoan` ireo filozofa Confucius, Platon ary Gulen, an` ireo olombelona lafatra

 

 

 

 

, izay tokony hitantana na hitondra taratra eo amin` ny fiarahamonina. Tsy ny olona rehetra anefa no ho tonga “olona ambony” satria mila ezaka ny fanatrarana ny “lafatra”. Ny tanjon'ny tsirairay anefa, amin’ny ankapobeny, dia ny hahalafatra ny olombelona araka izay tratra. Saingy maro ny olona, mety ho ny ankamaroany mihitsy aza, no tsy ho tonga amin'io haavo amin'ny fepetra maha-olona io. I Confucius, Platon sy Gülen dia samy nanamarika daholo fa misy olona mifantoka amin'ny fisiana ety ambonin'ny tany ary misy kosa ireo ampahan’olom-bitsy mitady ny zavatra tena miabo. Noho izany, na samy tokony hahafeno ny ny fepetra mba hahatongavana ho olombelona lafatra aza ny olona rehetra, dia ny ankamaroany no tsy hanao an’izany, na hanao izany fa amin'ny ampahany fotsiny ihany. Ny fanabeazana no fototra ankapobeny hahavitana izany, satria eo amboniny no ipetrahan'ny ezaka atao rehetra, mba hahatontosa ny maha-olona antsoina hoe: lafatra, na ao amin'ny fahafenoany tanteraka. Raha tsy misy ny fanabeazana io dia hirodana avokoa ny naorina rehetra. Tena olana anefa ankehitriny dia ny tsy fahafantaran’ny mpifidy ny olona tena mendrika ny hitondra firenena ka tokony hofidiana. Saron’ny vola ny marina eto Madagasikara, ka izay mizara vola sy mahatolotolotra ihany no toa andrian’ny sain’ny vahoaka. Vokatr’izany dia izao fahantrana be misy eto amin’ny firenena izao. Hatramin’izao nefa dia mbola izany no toe-tsain’ny Malagasy maro, tsy mety nandray lesona tamin`ny tantara. Raha vao miresaka fifidianana dia mazava ho azy fa ny vola avy hatrany no anontaniany amin’ireo kandida hirotsaka hofidiana. Ny vola no mibaiko ny ankamaroan’ny Malagasy amin’ny fifidianana, satria, hono, samy mangalatra sy tsy mahay mitondra izay tonga eo, ka aleo samy mameno ny paosiny. Dia izany toe-tsaina mirefarefa izany no mahazo vahana eto amin’ny firenena ary lasa môdely ho an’ny tanora ankehitriny. Mila mahay mifidy mba tsy hanenina indray, satria, toy ny mahazatra hatreto, be ny kobaka am-bava amin’ ny fifidianana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT