Politique

Malagasy Miara-Miainga Fifidianana filoham-pirenena amin’ity 2013 ity


  • Alatsinainy 15 Jolay 2013


Ny vondron’antoko politika, fikambanana ary olon-tsotra tompon’andraikitra dia mitaky ny fiverenana haingana ao anatin'ny fanjakana tan-dalàna ny Malagasy Miara-Miainga tarihan’i Andrianainarivelo Hajo. Resy lahatra ry zareo fa ny lalan-tokana hivoahana amin’izao kizo izao dia ny fanatanterahana haingana sy araka ny tokony ho izy ny fifidianana amin’ity taona 2013 ity, araka ny filaharany navoakan’ny CENI-T, araka ny voafaritry ny sori-dalana ary ao anatin’ny fanarahan-dalàna tanteraka. Mahatsapa fa ny fanalavana izao tetezamita izao, dia manampy trotraka indray ny fahasahiranana efa mianjady amin’ny vahoaka Malagasy. Matoky koa ny Malagasy Miara-Miainga fa ny vahaolana ifampieran’ny mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana ho avy no mahomby indrindra, ka manohitra ny fandraisan’olon-tokana fanapahan-kevitra.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT