Politique

Malagasy Mandroso Mitaky praiminisitra lefitra avy amin'ny Ankolafy Ravalomanana


  • Zoma 18 Novambra 2011

"Na dia hita mibaribary aza fa tsy nanara-penitra ny fanendrena ny praiminisitra Beriziky dia mbola nasehon’ny Filoha Ravalomanana indray ny maha olomangam-pirenena azy, mametraka ny tombontsoan’ny vahoaka sy ny firenena ambony noho ny hambom-pony", hoy ny fikambanana Malagasy Mandroso.

 Mba hialana amin'ny zara vilana sy hikatsahana ny fampihavanam-pirenena marina dia mitaky ny hanendrena olona ao amin’ny Ankolafy Ravalomanana ho Praiminisitra lefitra ny “Malagasy Mandroso”. Araka ny fanazavana dia efa nomena ny Ankolafy Rajoelina ny toeran’ny Filohan’ny tetezamita, natolotra ho an’ny Ankolafy Zafy ny toeran’ny praiminisitra, dia rariny sy hitsiny ho azy ireo raha omena ny Ankolafy Ravalomanana ireo ministeran’ny fiandrianam-pirenena. Araka ny fanambarana dia matoky tanteraka ny vondrona iraisam-pirenena ity fikambanana ity ary mitodika manokana amin’ny vondrona SADC hanara-maso akaiky sy amin’ny fomba hentitra ny fampiharana haingana, tsy misy fepetra, ireo andininy faha-20 sy faha-22 voasoratra ao amin’ny tondrozotra. Ao anatin'izany ny famelana ankalalahana ireo sesitany politika any ivelany hody an-tanindrazana sy famoahana ireo gadra politika rehetra.
Nangonin'i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT