Malagasy ho an'ny Tanindrazany

> “Tsy hitondra fitoniana velively io fifidianana io”


  • Alakamisy 19 Septambra 2013

Nihaona sy nitafa tamin'ny mpampahalala vaovao tetsy amin'ny Mon Goűter omaly ireo olon-tsotra, fikambanana, ary antoko samihafa mametraka ho filamatra ny hoe : “Malagasy ho an'ny Tanindrazany”.

Fihaonana izay nanambaran'izy ireo ny heviny mikasika ny fifidianana izay hotanterahina ny 25 oktobra ho avy io. Nambaran'izy ireo tamin'izany fa tsy hitondra fitoviana velively io fifidianana kasaina hatao io. Fampanantenana poak’aty sy fahadisoam-panantenana no ao ambadika, hoy izy ireo satria hanome endrika fanjanahantany vaovao indray ka tsy azo ekena, ho tanimanga fotsiny izay filoha ho lany. Mijoro izy ireo hanohitra ny hevi-petsin'ireo vahiny sy ireo kandida sasany izay tsy mahalala afa-tsy ny tenany ka milofo fatratra ny amin'ny tsy maintsy hanaovana ny fifidianana na inona tomombana na inona tsy tomombana. Lohahevitra nitondran'izy ireo ny fanehoan-keviny omaly moa ny tenin'Andriamanitra voasoratra ao amin'ny Estera 8 : 6 izay manao hoe : “Ataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko”. Soso-kevitra naroson'izy ireo, araka izany, ny tokony hanarahana hatrany ny fehin-kevitry ny FFKM hivoahana amin'izao krizy lalim-paka lalovan'ny firenena izao. Noharin’ny vovonana tamin’ilay sambondanitra “Challenger” ny fifidianana ho avy. Manampahaizana iray tao amin’ny NASA ihany no tsy nankasitraka ny fandehanana satria tsy tomombana nefa noho ny tery dia nalefa ihany ka dia nitomany ny Amerikanina. “Aleo misoroka toy izao mitsabo”. Ny lalàmpanorenana hijoron’ilay Repoblika aza tsy misy mankato na ny eto an-toerana na any ivelany.

Pati-RHR

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT